Andrianjafinandriamanitra na koa Andrianjafinanjanahary no niantsoana azy. Zanak'Andriambelomasina izy, ary anadahin-dRanavalonandriambelomasina renin'Imboasalama (Andrianampoinimerina). Araka ny didin'Andriambelomasina dia Andrianjafy no hanjaka handimby azy eo Ambohimanga dia avy eo vao Imboasalama zafiny. Nony nanjaka anefa Andrianjaka dia tsy nahay nitondra vahoaka, ka nangidy hoditra, ary nesorina teo amin'ny fanjakana.