Nampitadiavin'Andriantsimitoviaminandriana ny zanak'anabavin'Andrianambonimena , dia ny zanaky Rangorinimerina izany.
Tamin'izay fotoana izay dia nipetraka teny Androhibe eny ankilan' Antsahadinta Rangorinimerina satria Andriamifonozozoro vadiny dia teraky ry zareoe ny Ivatobe sy Androhibe Antsahadinta, izany hoe avyamin'ny tera-dRavololondrenitrimo sy Andriandambozozoro mbamin-dry Andrianjakatrimo.
Dimy lahy sy valo vavy no natera-dRangorinimerina.
Nalain'Andriatsimitoviaminandriana daholo n y zanaka lahin -dRangorinimerina, dia ireto avy :
1. -Andriamohara, nandova fanjakana ny anadahin-dreniny dia Andrianambonimena izay ten y Alasor a . Niteraka telo lahy sy irayvavy izy izay niparitaka teny Ambohijoky , Antsa hadint a, Fenoar i vo, Ambatomanga,Ambohi paniry, sns...
2.- Rakotomavo Andriambelomasina, mpanjakan' Ambohimanga. Izy no loharano nipoiran'ny Zanakandriana sy Zazamarolahin' Ambohimanga iza y nipari ta k a ihany koa. Isan'ireny nynaterak'Andrianampoinimerina.
3.- A ndriantoa rano ra iben'i Andri anaivoramahazo zazamarolahy mapanao m ari-trano, manan-taranak a eny Alasora, Am bohimanga s y Mia rinarivo Ambo hipananina, sns,A#
4.-Ramisamanjaka tompom-bodivona teny Anosiarivo, nisy zanany koa eny Antanamalazasy Ifandana.
5.-Andriampalima nana sy n y terany e ny Tsirangai na am in'Ambodirano s y Ambohidrangory.
Rehefa tonga teny Ambohimanga ny zanaka dimy lahin-dRagorinimerina dia hoy Andriantsimitoviaminandriana hoe : " Tsy sanatria akory izahay hangala -jaza fa haka zaza hampanjakaina".
Natsangany h o zanany izy dimy mirahalahy ireo ary nisafidy anankiray izy hitondra ny fanjakana. Voafidy tamin'izany ny zanaka lahiaivon-dRangorinimerina atao hoe Rakotomavo Andriambelomasina.