Rehefa avy any Sambaina Lohavohitra sy Ambodirano Andriandambozozorofa nianavaratra niamp i t a ny reniranon'Ikopa indray ka niditra an'i Marovatana. Mbola nisy toerana vodivona sy ta ne t y ary lohasaha malalakatokoa tao avaratr'Ambohimanoa; nangatahiny tamin'i Ramorabe vadin 'Andriamananimerina mpanjakan'Ambohidratrimo io faritra io ho menakelinymba ho entiny hanompo a n a ny fanjakan'Ambohidratrimo. Nanaiky Ramorabesaingy namepetra kosa izy fa tsy maintsy ma n o a an'AmbohidratrimoAndriandambozozoro ary tsy mihoatra an'i Marovatana ny hasina sy ny ton goamihonkona tokony ho an'ny mpanjakan'Ambohidratrimo; ka mba ho fanamafisana izany fifane ke n a izany dia nomena ho vadin'AndriandambozozoroRabodo, zanak'Andriatsimitovy avy ao Anosi man j aka, zanak'olo-mianadahy amin-dRazafintsoa; dianamponeniny tao Andambozozoro hiandryfanjakana i Rabodo. Rabodo avy ao Anosimanjaka no vadin'Andriandambozozoro,napetrany tao Anda mboz ozoro. Maro ana ka izy mivady, ka anisan'izany: Ralambozozoro,Ratsiloto, Andriantsalama , Ram ahazo. Samy milevinaao Andambozozoro avokoa izy ireo miaraka amin'ny reniny Rabodo. Mb olan isy koa zanak'An driandambozozoro hafa nandeha nanorom-ponenana tanyMieridaza.