Tantara ny Andriana, takila 630
RAZAN' ANDRIAMANALINA AVY ATY MERINA NY IHAVIA' NY.
Ny olona tonga tany Andrantsay voalohany indrindra, fa tsy mba nisy olona fa Vazimba no reny, dia Andrianony lahy sy Ramanjaka vavimaroa sy Ramananalinarivo faravavy; izy . mianadahy havany ny Ratompoindroandriana vady n' Andriamasinavalona. lreo reny Ambohimaharakatra atsimo ny Mantasoa sy Ambodinandranambo sy Varondrangy no niroetra, ka nianatsimo fony mbola velona Andriamasinavalona, Koa niteraka any atsimo samy amy ny izay ipetraha' ny Andrianony sy Ramanjaka nipetraka ratsy avaratry Mania, ary Ramanalinarivo nianatsimo hiany.
Ary Andrianony dia niakatra tao Fivavàhana, sy ny vady ny sy ny ankizy ny sy ny nama' ny; ary dia nanorin-trano rao izy. Ary nony efa niroerra ela ela tao izy dia niampy ny olona, dia nihiabetsaka, dia natao hoe Vakinankaratra no ho mianatsiimo. Ary nony efa betsaka izy, dia natao hoe Be-tsi-Ieo no anara' ny: fa nahazo basy sy vanja betsaka izy tamy ny Sakalava, ka be tsy leo.
Ary amy ny ireo zana ny natera ny izy 3 mianadahy, Andriamsimitoviaminandriana sy Rafononitany no nahery, izy 2 lahy mirahalahy no nizara. ny tany atsimo: Rafononitany dia tompo ny atsinanana, reo Ambohitsimihozo sy teroa Manarana, ary Andriantsimitoviaminandriana tompo ny andrefana.
Ary Andriantsimitoviaminandriana teo Ambohitrandraina niteraka : an' Andriambefetrika, sy Andriamanalina, sy R... anabavy ny izy mirahalahy. Ary ny anabavy . n' izy mirahalahy niteraka an-dR... vady n' Andriamaroanaka. Ary Andriambefetrika no zoky n' Andriamanalina, fa mat y teo alohandray ny, ka dia Andriamanalina no nanjaka nandimby an-d'ray ny, tompo ny andrefana rehetra.
Ary Ranavalona avy aty Ambohijanaka atsimo somary atsinanan' Alasora, efa vady n' andriana betsileo ao Manandona tamy ny Andrianampoinimerina namita anui Vakinankaratra. Manandona atsimo somary atsinanan' Antsirabe sy avaratry Bity, itoeran' Andriamanalina (tsy Andriamanalina lehibe), naneky; izany no tsy niala' ny amy ny fanjaka' ny, dia lova ny zana' ny. Ary Ranavalona anabavy n' Andriandahimbolamena, no vady n' Andriamanalina; ary Ranavalona niteraka andRazanabahoaka. Ary Razanabahoaka niteraka an-dRambelosalama tompo menakely izao any Manandona.