Misy filazana roa nataon'ny Tantara Ny Andriana momba ny ray aman-drenin-dRambolamasoandro renin-dRadama I:
I. Ao amin'ny takila 421 dia voalaza fa Ravorombato (vavy) sy Rabezaka (lahy) no ray aman-drenin-dRambolamasoandro. Toy izao no voalaza ao :
Toko III, NY NANJAKAN'IZY ZAFIAFIN'ANDRIAMASINAVALONA AN'IMERINA, 4 TOKO SY 3 ANDRIANA, G II NY ANDRIANA NIFANDIMBY TEO AMBOHIDRATRIMO AMBARA-PIAVIN'ANDRANDRIANAMPOINIMERINA :
3° RABELANONANA. Ary Rabelanonana natosi-dRavorombato (anabavy n' Andriambelo) nody Ramananandrianjaka no andriana. Dia naterina tany Belanitra (andrefany Merimandroso) .Rabelanonana. Dia Ramananandrianjaka no and ria na vavy nanjaka tao Ambohidratrimo.
4° RAVOROMBATO NODY RAMANANANDRIANJAKA NO ANDRIANA VAVY TAO AMBOHIDRATRIMO. lzy no tompo ny fahatelo ny Merina.Jony niady an-trano.Ary nanambady izy, dia Rabezaka, andriamasinavalona, no vinady ny; avy eo Anosinimerina akeky an' Andriantany Rabezaka. Ary dia niteraka Ramananandrianwjaka niteraka:
- an-dRamena, napetra ny teo Ambohimanoa, ka natosika ny Marovatana fa naneky ho an' Andrianampoinimerina;
- sy Rabehety nanjaka teo Ambohidratrimo, ka resy n' Andrianampoinimerina;
- sy Andriantsolo, teo Antongony;
- sy Andrianilàna, teo Ambohitrinimanjaka;
- sy Rambolamasoandro, lasan-ko vady n' Andrianampoinimerina;
- sy Rabodomanana, taq Anosimanjaka no vinady ny Rainimaneraka;
- sy Ravaomanana, tao Anosimanjaka, reny n' Andriamavo;
- sy Ratomponibemihisai:ra, napetrak' Andrianampoinimerina teo Masoandro.
II- Ao amin'ny takila 720 dia Rabelanonana (lahy) sy Ratomponimarovatana (vavy) no ray aman-drenin-dRambolamasoandro. Toy izao no voalaza ao :
Takila 720 : Toko II, NY NAMETRAHAN'ANDRIANAMPOINIMERINA AZY ROA AMBIN'NY FOLO VAVY SY IZIMIRAHALALHIAVY-MIANADAHIAVY, AMIN'NY MERINA :
Rambolamasoandro dia nateraky Rabelanonana tery Marovatana sy Ratompimarovatana reniny, vadikely nentiny hampandry ny Marovatana ka nisaorany tato aoriana, niteraka dimy mianadahy, terak'Andrianampoinimerina :
III- malala_adam@yahoo.fr milaza fa Ravorombato (vavy) sy Rabezaka (lahy) no ray aman-drenin-dRambolamasoandro araka izao tetiarana izao :
Ramorabe sy Andriamananimerina niteraka anui
1. Rabodofilankinana (v) niteraka anui
11. Ramananandrianjaka II (v), izay nanambady anui Rabezaka (l), ary niteraka anui :
111. Rabodomanana (v) reninui Ramanetaka,
112. Rambolamasoandro (v) reninui Radama I.