General Notes
Andriantsimitoviaminandriana no niantsoana azy. Mikasika an'ireo zanak'ANDRIANTSIMITOVIAMINANDRIANDRAZAKA; tsy marin any voalazan'ny Tantaran 'ny Andriana fa hoe zanany ry Rakotomavo mirahalahiavy (dia ry Andriamohara sy ry Ramisamanjakarivo ary ry Andrianizaza mianada hyavy izany). diso io araka ny nambaran'i Tavaradrano ary ny tanatara fony izy nankeny Ambodirano ary niresaka tamin'ireo Zazamarolahin'Antsahadinta. Fehiny , zana-dRangorinimerina sy Andriamifonozozoro ireo izy mianadahiavy razan'ny Zazamarolahy ireo . Ary RAFONDRAZAKA izay nipetraka teo Ilafy sy Anosimiarinimerina no zanak'Andriantsimitoviaminandriandrazaka, misy milaza fa Andrianamboarinandriamanitra koa dia zanany, nefa tsy azo inoana izany. Azo jerena izany ao amin'ny boky nosoratan-dRaombana satria taranany izy (cf : Raombana "Histoires", Boky I, p.142.)
-
Ancestor Pedigree Chart
-
*There are earlier generations for the ancestor(s) indicated. See their page(s) for details (click name)