General Notes
Vatolevy, zazamarolahy napetrak'Andrianampoinimerina ao Ambohibato-Ikianjamalaza Imerintsiatosika ary teo aloha dia tompon'ny tany rehetra manomboka eo Vontovorona ka hatreny Imerintsiatosika ary manomboka eo Ambohitrandriana-Ambatomirahavavy ka hatreny Ambohidrazana araka ny teny nomen'Andrianampoinimerina.
Vatolevy dia isan'ny tendrombohitra roa ambin'ny folo tamin'ny andron'Andrianampoinimerina satria tao no nisy ireo taranak'Andriamasoandro mivantana. Tsy Andriamasoandro zana-dRalambo anefa fa ANDRIAMASOANDRO nipoiran'ny andrianan'Imamo sy ny zazamarolahy rehetra talohan'ny Andriambahoakafovoanitany. Tsy voatery hisy trano manara ny fasany fa afaka manao izany ihany anefa izy raha tiany.
-
Ancestor Pedigree Chart
-
*There are earlier generations for the ancestor(s) indicated. See their page(s) for details (click name)